# Hoy izy "Ny mpanjakan'Israely namaly ilay vehivavy hoe:" # Raha tsy manampy anao i Yaveh, ahoana no hahafahako manampy anao? Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany mpanjaka mba hilazany amin'ilay vehivavy fa tsy afaka manampy azy izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Raha tsy manampy anao i Yaveh, dia tsy afaka manampy anao aho." # Misy zavatra ve avy amin'ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka? Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny mpanjaka mba hanasongadinany fa tsy misy sakafo vonona akory. Eto ny famoloana dia entina ilazana ny vary ary ny famiazam-boaloboka dia entina ilazana ny divay. DH: "Tsy misy na inona na inona na ny famoloana na ny famizam-boaloboka" na "Tsy misy hanina ho jinjaina na voaloboka hanaovana divay ho sotroina." # Dia nanohy ny mpanjaka hoe "Hoy ny mpanjaka hoe:" Midika izany fa mbola nanohy ny resany izy ireo. # nampangotrahinay "nandrahoinay"