# Beni-hadada Anaran'ny mpanjakan'i Syria izany. Ny anarany dia midika hoe "zanak'i Hadada" # nanafika an'i Samaria Nanafika an'i Samaria ny mpanjaka sy ny tafiny. DH: "nanafika an'i Samaria izy ireo" # Indro Eto ny teny hoe "indro" dia entina manaitra antsika mba hifantoka amin'ny vaovao tsy ampoizina manaraka. # mandra-pahalafo ho sekely volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "ny vidin'ny lohan'ampondra iray dia sekely volafotsy valopolo" # sekely volafotsy valopolo "sekely volafotsy 80" # ampahefatry ny kaba Azo atao ny mampiasa famarana fampiasa amin'ny vanim-potoana ankehitriny. DH: "ampahefatry ny litatra" na "fahefan'ny litatra" # ampahefatry ny "ampahefatry ny litatra" # taim-boromailala Azo ampiana teny hafa izany. DH: "taim-boromailala ho an'ny" na "taim-boromailala atakalo" # nandalo teo amin'ny manda "nandeha teo an-tendron'ny mandan'ny tanĂ na" # tompoko Izany anarana izany no niantsoan'ilay vehivavy ny mpanjaka mba ho mari-panajana azy.