# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Niresaka mikasika an'i Namàna tamin'ny mpanjakan'Israely i Elisa. # Nahoana no norovitinao ny akanjonao? Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanehoany fa tsy tokony halahelo sy handrovitra ny akanjony ny mpanjaka. DH: "Tsy misy tokony hampalahelo anao ka handrovitanao ny akanjonao." # hiverina amin'ny laoniny ny nofonao Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "hihatsara ny nofonao" # hadio ianao Izany dia midika fa tsy haloto intsony ny hodiny. Ny olona izay heverin'Andriamanitra fa tsy azo ekena ara-panahy na voaloto ara-panahy dia lazaina toy ny hoe maloto ara-batana. Ny fiheveran'Andriamanitra ny olona boka dia olona voaloto.