# kapoka efapolo latsaka iray izany dia fomba fiteny mahazatra ilazana fa voakapoka in-39. Kapoka efapolo noheverina hamono olona iray. # nokapohina tamin'ny hazo Azo atao hoe DH: "Novonoin'ny olona tamin'ny hazo aho" # Indray aho no notoraham-bato Azo atao hoe DH: "mitora-bato ahy ny olona mandra-piheveran'izy ireo fa maty aho" # Nandany iray alina sy iray andro teny an-dranomasina aho I Paoly dia miresaka momban'ny fitsingevany teo ambonin'ny rano taorian'ny niletehan'ny sambo nisy azy. # tamin'ny loza avy amin'ireo rahalahy sandoka Ny dikan-teny fenon'izany fanambarana izany dia afaka hatao mazava. DH: "ary notandidonin-doza tamin'ny olona izay nilaza ho rahalahy tao amin'ny Kristy, kanefa namadika anay''