# Nanoratra aho tahaka ny nataoko Izany dia manambara taratasy iray hafa izay nosoratan'i Paoly tamin'ireo Korintiana Kristina izay tsy misy intsony. DH: "Nanoratra aho tahaka ny nataoko tamin'ny taratasy teo aloha" # mba tsy ho voaratran'ireo izay tokony nampifaly ahy I Paoly dia miresaka momban'ny fitondran-tenan'ireo Korintianina sasatsany izay nahatonga azy nanaintaina ara-panahy. Azo atao hoe DH: "mba tsy handratra ahy ireo izay tokony nampifaly ahy" # fifaliako dia fifaliana mitovy amin'ny anareo rehetra "Izay manome fifaliana anareo no manome fifaliana ahy ihany koa" # amin'ny fahoriana lehibe Eto ny teny hoe: "fahoriana" dia milaza ny fanaintainana ara-panahy. # miaraka amin'ny fangirifirin'ny fo Eto ny teny hoe: "fo" dia milaza ny toerana misy ny fihetseham-po. DH: "miaraka amin'ny alahelo mafy" # amin'ny ranomaso be "fitomaniam-be"