# Izao didy izao no omeko anao I Paoly dia miresaka ny momba ireo torolalana tahaka ny hoe afaka mametraka azy ireo ara-batana eo anatrehan'i Timoty. DH: "Mananatra anareo amin'izao didy izao aho" na "izany no andidiako anareo" # zanako I Paoly dia milaza momba ny fifandraisany akaiky amin'i Timoty tahaka ny hoe rainy i Paoly ary Timoty no zanany. I Paoly dia mihevitra an'i Timoty tahaka ny zanany satria nampianatra an'i Timoty i Paoly mba hanana finoana an'i Jesosy. DH: "Izay tena tahaka ahy" # araka ireo faminaniana natao momba anao tany aloha DH: "amin'ny fanekena miaraka ireo izay naminanian'ireo mpino hafa momba anareo" # fa ianao dia mety hiady ny ady tsara I Paoly dia miresaka momba an'i Timoty miasa amin'ny Tompo tahaka ny hoe miaramila miady amin'ny ady izy. # ny feon'ny fieritreretana tsara "ny feon'ny fieritreretana izay mifidy ny marina fa tsy diso" # misy ny nanao sambo vaky ny finoany DH: "nanao sambo vaky ny finoany izy ireo" # misy ny nanao sambo vaky ny finoany I Paoly dia miresaka momba ny finoan'ireo olona tahaka ny hoe sambo izay mety vaky an-dranomasina. Milaza izy fa nosimbain'izy ireo ny finoany ary tsy mino an'i Jesosy intsony. # Hymeneo sy Aleksandro Anarana lehilahy ireo. # izay natolotro ho an'i Satana I Paoly dia miresaka toy ny hoe manolotra ara-batana ireo lehilahy ireo ho an'i Satana. Izany dia mety midika fa manilika azy ireo ao amin'ny fiaraha-monin'ireo mpino i Paoly. Satria izy ireo dia tsy mpikambana ao amin'ny fiaraha-monina, afaka mahazo hery avy amin'izy ireo i Satana ary manaratsy azy ireo. # mba ampianarana azy ireo DH: "fa Andriamanitra dia mety hampianatra azy ireo