# Ianareo, ry rahalahy Eto ny "rahalahy" dia midika hoe Kristiana namana. # Dia tsy ao anatin'ny haizina Paoly dia miresaka momba ny ratsy sy ny tsy fahalalana ny momba an'Andriamanitra toy ny hoe haizina izy ireny. DH: "ianao dia tsy mahafantatra, toy ny olona izay mipetraka ao anaty haizina." # Ka hahatratra anareo tampoka tahaka ny mpangalatra ny andro Ny andro izay hiavian'ny Tompo dia tsy tokony hahagaga ireo mpino. # Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro Paoly dia miresaka ny fahamarinana toy ny hoe hazavana sy andro. DH: "Fa ianareo mahalala ny marina, toy ny olona izay miaina anaty hazavana, tahaka ny olona mandritry ny andro." # Tsy zanaky ny alina isika na ny haizina Paoly dia miresaka momba ny ratsy sy ny tsy fahalalana ny momba an'Andriamanitra toy ny hoe haizina izy ireny. DH: "isika dia tsy mahafantatra, toy ny olona izay mipetraka ao anaty haizina, toy ny olona amin'ny alina" # Ndeha isika tsy hatory tahaka ny fataon'ny ambiny Paoly dia miresaka momba ny tsy fahatokiana ara-panahy toy ny hoe torimaso izany. DH: "aoka isika tsy ho toy ireo hafa izay tsy mahafantatra mahasika ny fiverenan'i Jesosy." # Aoka isika Ny teny hoe: "isika" dia manondro ireo mpino rehetra. # Hiambina sy hahonon-tena Paoly dia mamaritra ny fisainana ara-panahy toy ny mifanohitra amin'ny torimaso sy fahamamoana. # Fa ireo izay matory dia manao izany amin'ny alina Toy ny olona matory izay tsy mahafantatra izay mitranga, ny olona eto amin'ity tontolo ity dia tsy mahalala fa hiverina i Kristy. # Ireo izay mamo dia manao izany amin'ny alina Paoly dia milaza fa amin'ny alina no mamo ny olona, noho izany rehefa tsy mahafantatra ny fiverenan'i Kristy ny olona dia tsy miaina fiainana misy fahafehezan-tena.