# Nahoana no nentinareo eto amiko izy? Ireo mety ho heviny dia 1) Mangataka i Akisa mba hanazavan'ny mpanompony hoe nahoana no nentin'izy rieo teo aminy i Davida na 2) Mibedy azy ireo amin'ny fanontaniana fampisainana i Akisa. DH: "Tokony ho fantatrareo fa tsy tokony hoentina eto amiko izy." # Tsy ampy olona adala angaha aho, no dia nentinareo eto amiko io mba hanao fihetsika tahaka izao eto anatrehako? Fibedesana io fanontaniana fampisainana io. DH: "Ampy ny olona adala mandany fotoana eto. Tsy tokony nentinareo teto ity namana ity mba hanao tahaka izao eto anatrehako" # Hiditra ao an-tranoko tokoa ve io namana io? Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika amin'ny endrika fanambarana tsotra. DH: "Aza avela hiditra ao an-tranoko ity namana ity."