# Aoka tsy hanota amin'i Davida mpanompony ny mpanjaka Ataon'i Jonatana toy ny hoe olon-kafa i Saoly mba hampisehoana an'i Saoly fa manaja azy izy. DH: "Aza manota amin'ny mpanomponao" # izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra Eto ny hoe "nanao ny ainy tsy ho zavatra " dia fomba fiteny ilazana hoe nanao vy very ny ainy izy. DH: "nanao vy very ny ainy izy" # Nahoana no hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny amin'ny famonoana an'i Davida tsy ahoan-tsy ahoana ianao? Mametraka io fanontaniana io i Jonatana mna hibedesana an'i Saoly. Io fanontaniana fampisainana io dia azo adika ho fanambarana tsotra. DH: "Tsy tokony hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny ianao ka hamono an'i Davida tsy amin'ny antony." # no hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny Eto ny "rà" dia fibangoan-teny ilazana ny ain'ny olona tsy manan-tsiny. DH: "manao ny fahotan'ny famonoan'olona"