# dia nifamatotra tamin'ny fanahin'i Davida ny fanahin'i Jonatana Ny fisakaizana akaiky dia resahina toy ny hoe mamatotra ny fanahin'ny olona roa. Io dia azo atao hoe DH: "Nahatsapa fitiavana lehibe ho an'i Davida i Jonatana" na "Nanolo-tena tamin'i Davida i Jonatana" # ary notiavian'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy Eto ny hoe "notiavina" dia ilazana ny fitiavana eo amin'ny mpinamana fa tsy ilay fitiavan'olon-droa. Ny "fanahy" dia maneho ny ain'ny olona iray. DH: "Tian'i Jonatana tahaka ny nitiavany ny tenany i Davida" na "tian'i Jonatana tahakana ny ainy ihany i Davida"