# Tsy nitandrina ny didin'i Yaveh Andriamanitrao Tsy maintsy niandry an'i Samoela i Saoly mba ho avy ary hanao ny soron'ny fanatitra dorana ho an'Andriamanitra. Tsy tokony manao ilay sorona samirery izy. # nametrahan'i Yaveh ny fanapahanao "namela ny fanjakanao" na "nanendry ny fanjakanao" # tsy hitohy ny fanapahanao Io fanalefahan-teny io dia azo adika hoe DH: "ho tapitra tsy ho ela ny fanapahanao" # lehilahy iray araka ny fony ihany Eto ny "fo" dia maneho ny faniriana na ny sitrapon'Andriamanitra. Ny andian-teny hoe "lehilahy iray araka ny fony ihany" dia fomba fiteny izay midika hoe olona izay manao izay irian'i Yaveh. DH: "lehilahy izay araka ny tiany" na "lehilahy izay mankatoa azy"