# Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny firenen'Israely. # Jerobala Anarana maneho haja sy herin'andriamanitra hiadiana amin'ny andriamanitra sandoka io. # naniraka ... Yaveh ... nanome fandresena anareo Milaza ny tantaran'ny nataon'Andriamanitra taorian'ny fiaiken'ny vahoaka heloka sy fangatahany famonjena i Samoela. # Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela Anarana mpitsara sasany izay natsangan'Andriamanitra ireo. Nampidirin'i Samoela tao anatin'io lisitra io ny tenany. # nanompo an'ireo Bala sy ireo Astarta Ny fanompoana eto dia ilazana ny fanompoana andriamanitra sandoka. DH: "nanompo andriamanitra sy andriamanitra vavy sandoka" # eo an-tanan'ireo fahavalonay Mampiasa ny hoe "tanana" io fanambarana io mba hilazana ny fahefana. DH: "fahefana na fifehezan'ny fahavalonay"