# nilatsaka teo aminy ny Fanahin'Andriamanitra Ny andian-teny hoe "nilatsaka teo aminy" dia midika fa hitarika an'i Saoly ny Fanahin'i Yaveh. Amin'ity toe-javatra ity dia mahatonga an'i Saoly ho afaka hitarika ny olona hanaja azy ami-tahotra amin'ny maha-mpanjakan'izy ireo azy Izy ary hanatevin-daharana ny tafiny. Jereo ny fomba nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 10:5. # Izay rehetra tsy hivoaka hanaraka Niantso ny olon'Israely rehetra ho avy hiady amin'ny Nahasy sy ny Amonita i Saoly. # nilatsaka tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh Nahatonga ny olona hanaja an'i Saoly amin-tahotra amin'ny maha-mpanjaka azy Yaveh. Ny vokatr'izany dia niara-nikambana tamin'i Saoly tany Bezeka ireo lehilahy. # Bezeka Anarana vohitra eo akaikin'i Jabesi-Gileada io. # dia nisy telo hetsy ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia telo alina "dia nisy 300.000 ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia 30,000