# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mihira fihirana ho an'i Yaveh i Hana. # Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika Io dia azo atao hoe DH: "Ho potehin'i Yaveh ireo izay manohitra azy" # potipotika "Resy" no dikan'io fomba fiteny io. # ny faran'ny tany rehetra Io dia fomba fiteny izay midika hoe na aiza na aiza. DH: "ny tany manontolo" # hanandratra ny tandrok'ilay voahosony Ny tandroka dia mariky ny hery. Jereo ny fomba nandikanao ny teny mitovy amin'izany ao amin'ny 2:1. DH: "hataony mahery noho ny fahavalony ireo mpitarika izay nofidiany" # ilay voahosony Ny olona izay nofidian'i Yaveh ary nomeny hery ho amin'ny tanjony dia resahina toy ny hoe nosorany menaka izany olona izany. DH: "ilay iray izay nosorany" na "ilay iray izay nofidiany"