# Fampahafantarana amin’ny ankapobeny: Petera manomboka miresaka momba ny hoe ahoana ny fiainan’ny Kristiana. # Ny vahiny sy mpirenireny Ireo teny roa ireo dia mitovy dikan-teny. Petera miresaka ny mpamakiny ho toy ny olona izay miaina any amin’ny tany vahiny lavitry ny tranony. Jereo ny nandikanao ny “ireo vahiny” ao amin’ny 1:1 # Mba hifady ny filàn'ny nofo Eto ny nofo dia manondro ny toetra maha-mpanota voajanahary ny olombelona eto amin'izao tontolo izao lavo ity. DH: “mba tsy hilefitra amin'ny fanirian-dratsy." # Mahatonga ady manohitra ny fanahinareo” Eto ny hoe: “fanahy” dia manondro ny fiainana ara-panahin’ny olona. Petera dia miresaka ny fanirian-dratsy ho toy ny miaramila izay manandrana ny manimba ny fiainana ara-panahin’ireo mpino. DH: “mitady izay hanimbàna ny fiainam-panahinareo” # Tokony manana fitondran-tena tsara ianareo Petera dia miresaka ireo mpino izay manana fitondran-tena tsara ho toy ny zavatra izay afaka hananan'izy ireo izany, fa tsy hetsika izay afaka jeren'ireo tsy mino ataon'izy ireo. # raha miresaka momba anareo ... izy ireo "fa raha manendrikendrika anareo izy ireo" # dia tokony hahita ireo asa tsaranareo Petera miresaka ireo mpino miasa tsara ho toy ny zavatra izay afaka hitan'ireo tsy mpino, fa ireo hetsika kosa izay afaka jeren'izy ireo ataon'ireo Kristiana. # amin'ny andro izay hahatongavany Izany dia milaza ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra. Afaka adika hoe. DH: "rehefa tonga hitsara ny olon-drehetra Izy"