# tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka Io dia manondro ny taona fahadimy izay naha-mpanjaka an'i Rehoboama. DH: "tamin'ny taona fahadimy izay nanjakan'i Rehoboama" # tamin'ny fahadimy taona "tamin'ny faha-5 taona" # tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta "Sisaka mpanjakan'i Egypta" dia sarinteny hilazana an'i Sisaka niaraka tamin'ireo tafika Egyptiana. DH: "Sisaka mpanjakan'i Egypta, sy ireo tafiny niaraka taminy, dia tonga nanafika an'i Jerosalema" # Sisaka Io dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:40. # tonga nanafika Io dia fomba fiteny izay midika hoe nanao diabe hanohitra na hanafika. DH: "tonga mba hanafika" # Nalainy avokoa ny zavatra rehetra Io dia fanaovana amin'ny ankapobeny izay manondro ny zavatra sarobidy rehetra izay azo alaina. DH "Naka zavatra sarobidy maro be izy" # Nalainy Ny hoe "-ny" dia manambara an'i Sisaka sy ireo miaramila izay niaraka taminy. DH: "Nalain'i Sisaka sy ny tafiny" # izay namboarin'i Solomona Eto ny hoe "Solomona" dia manondro ireo mpanao asa-tanana izay niasa ho an'i Solomona mba hanamboatra ireo ampinga. DH: "izay nampanaovin'i Solomona ireo mpiasany"