# namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany Mety tsara ny nandikana izany mba hahatakaran'ny mpamaky fa nanampy an'i Solomona nanao izany ny olona sasany. # andry ... sedera Ny andry dia singa mavesatra vita amin'ny hazo ampiasaina mba hanohanana ny trano be. adikao toy ny ao amin'ny 6:4. # hazo fisaka ... sedera Ny hazo fisaka dia hazo manify ampiasaina amin'ny rihana sy ny rindrina. # Namboariny ireo efitra an-daniny Izany dia ireo trano mitovy izay ampitahaina toy ny ao amin'ny 6:4. # efitranon'ny tempoly Ity fehezanteny ity dia sarintenin'ny rindrina izay mamefy ireo efi-trano. D.H: "ny rindrina ivelany izay mamefy ny efitranon'ny tempoly" # dimy hakiho Ny hakio dia 46 santimetatra. D.H: "2,3 metatra" # hazo sedera Ny teny hoe "hazo" dia fiteny amin'ny ankapobeny izay manondro ny hazo ampiasaina amin'ny fanamboarana trano, toy ny andry sy ny hazo fisaka.