# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Solomona dia miresaka amin'i Hirama mpanjaka momba ny fananganana ny tempoly. # Hirama dia efa tia an'i Davida "Hirama dia namana akaikin'i Davida mpanjaka foana hatrizay. # Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony. Mmaetraka fahavalo iray ambany tongotr'olona dia midika ny handresy azy ireo. D.H: "Yaveh dia nanampy an'i Davida handresy ireo fahavalony" na "Davida dia be asa hatramin'izay nanomezan'i Yaveh azy fandresena teo amin'ireo fahvalony" # ho an'ny anaran'i Yaveh Ny teny "anarana" dia sarinteny amin'ny olona ary "ho an'ny anarana" dia maneho ny fanompoana olona. D.H: "ao amin'izay olona manompo an'i Yaveh" # noho ireo ady izay nanodidina azy Mety misy dikany hafa hoe "noho ny ady tamin'ireo fahavalo nanodidina azy" na "satria niady ireo fahavalo tamin'ny manodidina rehetra izy." # Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony. Ny faladian-tongotra dia sarinteny ho amin'ny fanaraha-maso feno eo amin'ny olona iray. D.H: "Yaveh dia manome fahafahana an'i Davida hanohitra tanteraka ireo fahavalo"