# Famapahafantarana amin'ny ankapobeny: Solomona mpanjaka dia manazava ny antony tokony hahafaty an'i Joaba. # Enga anie i Yaveh hamerina ny ràny ho eo an-dohany Ny teny "ny azy" dia maneho an'i Joaba. Ny "rà" dia sarinteny ho an'ny mpamono olona. Ary ny fomba fiteny hoe "rà naverina eo an-dohan'i" dia midika fa tokony ho heverina ho meloka ny mpamono olona. D.H: "Joaba dia namono olona, ary maniry an'i Yaveh mba hitazona azy meloka aho amin'izay efa nataony" # feno fahamarinana sy tsara Ireo teny ireo dia midika zavatra mitovy amin'ny ankapobeny ary manamafy fa Abnera sy Amasa dia lehilahy tsara mihoatra lavitra an'i Joaba. # oa enga anie ny ràn'izy ireo hiverina eny an-dohan'i Joaba sy eny an-dohan'ireo taranany Ny teny "rà" dia sarinteny amin'ny mpamono olona. Ary ny fomba fiteny hoe "rà miparitaka eny amin'ny loha dia midika heverinan'ny olona heloka ho an'ny mpamono olona. D.H: "Maniry an'i Yaveh mba hitazona an'i Joaba sy ireo taranany meloka aho" # amin'ny fianakaviany, ary amin'ny seza fiandrianany Ny teny "taranaka" sy "seza fiandrianana" dia fomba fiteny ho an'ny fianakaviana sy ny fanjakana. D.H: "an'ny taranak'i Davida sy ny fanjakan'i Davida."