# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Batseba manohy resaka amin'i Davida mpanjaka. # ny mason'ny Israely rehetra dia eo aminao Eto ny "maso" dia midika ireo olona. Izany dia amin'ny ankapobeny. D.H: "ny vahoakan'Israely rehetra dia mijery anao" # hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana Fipetrahana eo ambony seza fiandrianana dia sarin-teny amin'ny maha mpanjaka. D.H: "ho lasa mpanjaka" # rehefa hodimandry miaraka amin'ireo razany ny mpanjaka tompoko Batseba miresaka amin'i Davida mpanjaka toy ny niresahany mahakasika azy nampisehoana ny nanajany azy. D.H: "rehefa modimandry miaraka amin'ny razanao ianao" # hodimandry miaraka amin'ireo razany Ity dia fomba mihaja hilazàna hoe: "maty." # heverina ho tahaka ny mpanao meloka izaho sy Solomona zanako D.H: "ny mpanjaka vaovao dia mihevitra ahy sy ny zanako lahy ho jiolahy"