# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Paoly dia maniry azy ireo ho tonga saina fa misy ireo mpino sasany dia tsy ho faty ara-batana fa mbola hitsangana amin'ny maty amin'ny alalan'ny fandresen'i Kristy. # fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handova izay tsy mety simba Ireo mety ho dikany: 1) ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy hevitra. DH: "ireo olombelona izay ho faty tokoa dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra maharitra" na 2) ny fehezanteny faharoa dia mamarana ny hevitr'ilay voalohany. DH: "ireo olombelona malemy dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na ireo izay tena maty dia tsy handova ny fanjakana izay haharitra mandrakizay" # nofo aman-drà Ireo monina ao amin'ny vatana izay voaheloka ho faty. # handova Handray ny fampanantenana nomen'Andriamanitra an'ireo mpino toy ny hoe mandova fananana sy harena amin'ny olona tsirairay ao amin'ny fianakaviana. # mety simba ... tsy mety simba "mety lo ... tsy mety lo." Jereo ny fomba nandikana ireo teny ireo ao amin'ny15:42. # fa hovaina avokoa isika rehetra DH: "Andriamanitra hanova antsika rehetra"