# Aza mifanakatsakana ianareo tsirairay Ny teny hoe: "manakatsakana" dia midika hoe fihazonana zavatra iray hananan'olon-kafa zo hahazo izany. "Aza mandà ny hanana firaisana ara-panambadiana miaraka amin'ny vadinao" # mba hahafahanareo manokan-tena amin'ny vavaka mba hananana fotoana manokana ho an'ny vavaka # manokan-tena "manolo-tena" # hiara-hatory indray ianareo "hiara-handry indray" # nohon'ny tsy fanananareo fifehezan-tena fifehezana - "satria aorian'ny andro vitsivitsy, dia ho sarotra ny hifehy ny filàna ara-nofonareo" # izaho dia milaza ireo zavatra ireo aminareo am-pahalalahana fa tsy didy akory Mety hidika izany fa i Paoly dia milaza amin'ireo Korintiana fa mamela azy ireo izy, fa tsy mandidy azy ireo mba 1) hanambady sy hiara-mandry na 2) tsy hiara-mandry amin'ny fotoana iray. # ho toa ahy Na tsy nanambady mihitsy aza i Paoly na maty aza ny vadiny. Tsy voatery hoe nandalo fisaraham-panambadiana akory izy. # Fa ny tsirairay dia samy manana ny fanomezam-pahasoavany manokana avy amin'Andriamanitra. Ny iray manana ity karazam-panomezam-pahasoavana ity, ary ny iray hafa manana karazany hafa koa. "Andriamanitra mamela ny olona hanao zavatra isan-karazany. Mamela ny olona hanao zavatra iray ary mamela olona iray hafa hanao zavatra hafa Izy"