# izy izay mamboly sy izy izay manondraka dia iray Oharin'i Paoly amin'ny hoe mamboly sy manondraka zava-maniry ny filazana vaovao mahafaly amin'ny olona sy ny fampianarana an'ireo izay nanaiky izany. Resahiny toy ny hoe manana asa mitovy izy ireo satria samy raisiny ho manan-danja. # ny karamany vola izay raisin'ny mpiasa tamin'ny asany # izahay Maneho an'i Paoly sy Apolosy fa tsy ny fiangonana Korintiana. # mpiara-miasa amin' Andriamanitra Paoly dia mihevitra ny tenany sy i Apolosy ho toy ny hoe miara-miasa. # sahan'Andriamanitra Andriamanitra dia mikarakara ireo mpino Korintiana, tahaka ny olona iray izay mikarakara zaridaina mba hahatonga izany hamokatra. # tranon'Andriamanitra Andriamanitra dia nanamboatra sy namorona ireo Korintiana mpino, toy ny olona iray izay manorina trano.