# mbola araky ny nofo mbola manana toetra araka ny faniriana feno ota na fanirian'izao tontolo izao # tsy miaina araky ny nofo ve ianareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelona? Mibedy ireo Korintiana i Paoly noho ny fitondran-tena feno fahotan'izy ireo. DH: "tokony ho menatra ianareo satria manao toetra araka ny fanirian-dratsinareo ary miaina araka ny fomban'ny olombelona!" # tsy miaina tahaka ny olombelona ihany ve ianareo? Paoly dia mibedy ireo Korintiana. DH: "tokony ho menatra ianareo satria miaina tahaka ny fomba fiainan'ny olona izay tsy manana Fiainam-panahy" # Iza ary Apolosy? Iza Paoly? Manamafy i Paoly fa tsy loharano nipoiran'ny filazantsara izy sy Apolosy, ka noho izany dia tsy tokony hanaraka azy ireo ny Korintiana. DH: "Diso ny fananganana vondrona mba hanarahana an'i Apolosy na i Paoly!" # Iza i Paoly Miresaka ny tenany toy ny hoe miresaka olon-kafa i Paoly. "Iza moa aho?" na DH: "Tsy manan-danja aho!" # Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanareo Paoly ihany no namaly ny fanontaniany tamin'ny filazana fa izy sy Apolosy dia mpanompon'Andriamanitra. DH: "Paoly sy Apolosy dia mpanompon'i Kristy, ary ianareo nino an'i Kristy satria manompo Azy izahay" # ninoanareo, izay nomen'ny Tompo asa avy "nino. Izahay dia olona izay nomen'ny Tompo asa fotsiny ihany"