plt_tn/psa/051/001.md

48 lines
1.7 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fitoviana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Eto amin'ity salamo ity Davida dia mangataka famelan-keloka amin'Andriamanitra.
# Ho an'ny mpiventy hira
"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"
# Salamo nataon'i Davida
Ireo mety ho heviny dia 1) Davida nanoratra ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.
# rehefa nanatona azy i Natana mpaminany
Azo ambara mazava tsara izay nataon'i Natana rehefa nanatona an'i Davida izy, satria ity salamo ity dia mamaly izany. DH: "rehefa nanatona sy nibedy an'i Davida i Natana mpaminany"
# taorian'ny nandriany niaraka tamin'i Batseba
"taorian'ny nandrian'i Davida niaraka tamin'i Batseba"
# noho ny amin'ny hamaroan'ny fiantranao
"satria Ianao manao asa fiantrana maro dia maro"
# vonoy ny fahadalàna nataoko
Ny famelan-keloka dia lazaina hoe 1) mamono ireny na 2) mamafa ny firaketana an-tsoratra ireo fahotana. DH: "avelao tahaka ny olona mamafa zavatra ny heloko" na "adinoy tahaka ny olona mamafa firaketan-keloka ny fahotako"
# Sasao an-tsakany sy an-davany aho mba ho afa-keloka ... diovy aho ho afa-pahotana
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra mitovy.
# Sasao an-tsakany sy an-davany aho mba ho afa-keloka
Ny ankasitrahana amin'Andriamanitra dia lazaina ho madio. Andriamanitra manao ny olona ho ankasitrahana amin'ny famelana ny helok'izy ireo. DH: "Sasao ny heloko rehetra"
# an-tsakany sy an-davany
"tanteraka"
# diovy aho ho afa-pahotana
Ny ankasitrahana amin'Andriamanitra dia lazaina ho madio.Andriamanitra manao ny olona ho ankasitrahana amin'ny famelana ny helok'izy ireo. DH: "Ataovy madio aho ho afa-pahotana"