plt_tn/jas/02/14.md

52 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mampahery ireo mpino niparitaka i Jakoba mba hampiseho ny finoan'izy ireo eo anatrehan'ny hafa, tahaka ny nampisehoan'i Abrahama ny finoany tamin'ny hafa.
# Inona no soa, ry rahalahiko, raha milaza ny olona iray fa manam-pinoana izy, kanefa tsy misy asa?
Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ny mpamaky. DH: "Tsy mahasoa akory, ry mpino namako, raha milaza fa manana finoana ny olona iray, kanefa tsy misy asa."
# manam-pinoana
Resahin'i Jakoba toy ny zavatra mivaingana ny finoana an'Andriamanitra.
# tsy misy asa
Resahin'i Jakoba toy ny zavatra mivaingana ny asa, toy ny fanaovana asa soa.
# Afaka hamonjy azy ve izany finoana izany?
Raisin'i Jakoba toy ny hoe misy hery manokana afaka mamonjy olona ny finoana an'Andriamanitra. Ny hevitra ambadin'izany dia hoe tsy ampy ny finoana. Azo adika ho teny tsotra io. DH: "Tsy afaka hamonjy azy ny finoana"
# hamonjy azy
"hanafaka azy amin'ny fitsaran'Andriamanitra"
# manaova mafana
Ny dikan'izany dia "manana fitafy ampy hanaovana" na "manana toerana hatoriana."
# mivokisa
"mihinana izay sahaza"
# ho an'ny vatana
Mihinana, mitafy, ary miaina finaritra
# inona no mahatsara izany?
Mampiasa fanontaniana fampisainana i Jakoba mba hampianarana ireo mpamaky. DH: "tsy tsara izany"
# ahalahy na anabavy
Ireo namana mpino ao amin'i Kristy, na lahy na vavy.
# ny finoana ... dia maty
Raisin'i Jakoba ho toy ny velona ny finoana ary manao asa tsara, ary ny finoana iray dia maty rehefa tsy manao asa tsara.
# ny finoana ... misy asa
Resahina toy ny hoe olona manao asa tsara ny finoana.