forked from WA-Catalog/plt_tn
40 lines
1.4 KiB
Markdown
40 lines
1.4 KiB
Markdown
|
# Fa izay tsy afaka nataon'ny lalàna noho ny fahalemen'izany tamin'ny nofo, dia nataon' Andriamanitra
|
||
|
|
||
|
Eto ny lalàna dia voafaritra ho toy ny olona izay tsy afaka mamotika ny herin'ny fahotana. DH: "Fa ny lalàna dia tsy nanana hery hampitsahatra antsika amin'ny fahotana, satria mafy loatra ny herin'ny fahotana tao anatintsika. Fa tsy nisakana antsika tsy hanota Andriamanitra"
|
||
|
|
||
|
# tamin'ny nofo
|
||
|
|
||
|
"Nohon'ny toetra maha-mpanota ny olona"
|
||
|
|
||
|
# Nandefa ny Zanany lahy tokana Izy tamin'ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fanatitra ho an'ny ota, ary nanameloka ny ota
|
||
|
|
||
|
Nampitsahatra ny fahatezerana masin'Andriamanitra nohon'ny fahotantsika ny Zanak'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fanolorana ny tenany sy ny fiainany ara-nofo ho sorana ho an'ny fahotantsika mandrakizay.
|
||
|
|
||
|
# Zanany lahy
|
||
|
|
||
|
Izany dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra.
|
||
|
|
||
|
# endriky ny nofo feno fahotana
|
||
|
|
||
|
"izay mitovy tahaka ny olombelona hafa feno fahotana"
|
||
|
|
||
|
# mba ho fanatitra ho an'ny ota
|
||
|
|
||
|
"mba hahafatesany ho sorona ho an'ireo fahotantsika"
|
||
|
|
||
|
# ary nanameloka ny ota tao amin'ny nofo izy
|
||
|
|
||
|
"ary Andriamanitra namotika ny herin'ny fahotana tamin'ny tenan'ny Zanany"
|
||
|
|
||
|
# mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra takian'ny lalàna
|
||
|
|
||
|
Afaka adika hoe DH: "mba hanatanterahantsika izay takian'ny lalàna"
|
||
|
|
||
|
# isika izay mandeha tsy araky ny nofo
|
||
|
|
||
|
"isika izay tsy mankatoa ny filan-dratsintsika"
|
||
|
|
||
|
# fa araky ny Fanahy
|
||
|
|
||
|
"fa mankatoa ny Fanahy Masina"
|