plt_tn/num/30/01.md

20 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Rehefa misy mivoady amin'i Yaveh, na manao fianianana
Ireo fehezanteny ireo dia misy dikany mitovy ihany ary nakambana mba hanindriana ny fanaovana ny voady na fampanantenana.
# hamatotra ny tenany amin'ny fampanantenana
Eto i Mosesy dia miresaka ny olona mampanantena ny hanao zavatra toy ny hoe zavatra ara-batana izay amatorany ny tenany izany. DH: "manatanteraka ny fampanantenana" na "mampanantena ny hanao zavatra"
# dia aoka izy tsy hivadika amin'ny teniny. Aoka izy hitana ny fampanantenany hanao izay rehetra naloaky ny vavany
Ireo fehezanteny roa ireo dia misy heviny iray ihany ary nakambana mba hanindriana fa tsy maintsy manatanteraka ireo fampanantenany izy. Eto ny hoe "teny" dia sarinteny izay manondro izay holazainy.
# aoka izy tsy hivadika amin'ny teniny
Ny andianteny hoe "ny teniny" dia manindry ny fianianana sy voadin'ny olona iray. Eto i Mosesy dia miresaka ny tsy fanatanterahana ireo toy ny hoe zavatra ara-batana izay afaka potehina izany. DH: "tsy maintsy manatanteraka ireo fampanantenany izy"
# izay rehetra naloaky ny vavany
Eto ny teny hoe "vava" dia sarinteny hilazana ireo zavatra izay lazain'ny olona. DH: "mba hanao ny zavatra rehetra izay lazainy fa hataony"