plt_tn/job/20/28.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Ity dia mamarana ny tenin'i Zofara amin'ny Joba.
# Hielina
"manjavona" na "lasa"
# hikoriana hiala aminy ...ireo fananany
Ny "mikoriana miala" eto dia mampiseho ny fanesorana izany aminy. DH: "Hesorina hiala aminy ny fananany, tahaka ny entana izay mitsingevana eo amin'ny tondra-drano"
# ny fananany
" ny hareny"
# andron'ny fahatezeran' Andriamanitra
Eto, ny "fahatezerana" dia mampiseho famaizana. Ny anarana "fahatezerana" dia azo aseho amin'ny matoanteny manasazy. DH: "amin'ny andro hanasazian'Andriamanitra ny olona"
# Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra
Eto, ny "anjara avy amin'andriamanitra" dia mampiseho izay noheverin'Andriamanitra hitranga amin'ny tsirairay. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra homen'Andriamanitra azy. DH: "Izany no efa voalahatr'Andriamanitra hihatra amin'ny olona ratsy fanahy"
# lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra
Io mampiseho izay nodidian'Andriamanitra hihatra amin'ny olona. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra izay homen'Andriamanitra azy tany aloha mba ho lovany. DH: "izay efa nokasain'Andriamanitra homena azy" na "izay nokasain'Andriamanitra hihatra aminy"