plt_tn/job/20/08.md

24 lines
781 B
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.
# izy
"ny olona ratsy fanahy"
# Hanidina toy ny nofy izy ...ho enjehina toy ny fahitana amin'ny alina izy
Eto, ny "manidina" sy ny " enjehina" dia mampiseho fanjavonana. Mety milaza ny fanadinoana an-kolaka koa izy ireo, satria manjavona ny nofy sy ny fahitana rehefa manadino azy ireo ny olona. DH: "Hanjavoana toy ny nofy izy ...Ho andinoina toy ny fahitana amin'ny alina izy"
# ary tsy hahita azy
DH: "ary tsy misy hahita azy "
# Ny maso izay nahita azy
Ny maso dia mampiseho olona. DH: "Izay nahita azy" na "Ny olona izay nahita azy"
# ny toerany
Ny andian-teny "toerany" dia mampiseho ireo velona amin'ny toerany. DH: "Ny olona izay mipetraka amin'ny toerany" na "ny fianakaviany"