plt_tn/job/19/23.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
# Eh, enga anie ka ho voasoratra ny teniko ankehitriny
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy manoratra ny teniko"
# ny teniko
Io andian-teny io dia mampiseho izay lazain'i Joba. DH: "izay lazaiko"
# Eh, enga anie ka ho voarakitra ao anaty boky ireny
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy manoratra anaty boky ireny"
# Eh, enga anie ka ho voasokitra amin'ny penina vy sy firaka eo amin'ny vatolampy mandrakizay ireny
Io filazana fihetsem-po io dia milaza ny fanirian'i Joba. DH: "Mba faniriako raha misy misy mapiasa penina vy sy firaka ka misokitra ireo amin'ny vatolampy mandrakizay"
# penina vy
Io dia fitaovana ampiasaina amoin'ny fanoratana. Vita tamin'y vy izany ka nahafahan'ny olona nisokitra soratra tamin'ny vato. DH: "fandraka vy"
# Firaka
Ny firaka dia vy malemy. Tsy fantatra ny fomba nampiasan'ny olona firaka rehefa nisokitra vato. Mety namenoan'izy ireo ny soratra voasokitra ny firaka mba hiraketan'ilay soratra maharitra.