plt_tn/zec/14/20.md

16 lines
980 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ireto andininy ireto dia manohy ny fanoritsoritana ny ady farany ho an'ny tanànan'i Jerosalema sy ny fomba hanavotan'Andriamanitra azy.
# tahaka ny lovia boribory eo anatrehan'ny alitara.
DH: "ho masina tahaka ireo lovia jobo nampiasaina teo amin'ny alitara"
# ny vilany tanimanga rehetra ao Jerosalema sy Joda dia ho atokana ho an'i Yaveh tompon'ny maro
Ireo karazana vilany sy fanaka samihafa dia natao manokana mba ampiasaina ao an-tempoly amin'ny fanompoana an'i Yaveh sy ho an'ny sorona. Ireo dia noheverina ho miavaka, fa tsy ampiasaina amin-javatra hafa.
# ireo mpivarotra dia tsy ho ao an-tranon'i Yaveh tompon'ny maro intsony
Fomban'ny mpivarotra ny mivarotra ireo zavatra izay ilain'ny olona mba hanaovana sorona manokana ho an'i Yaveh ao an-tempoly. Ireo dikan-teny sasany dia nandika hoe "Ireo Kananitra" eo amin'ny toeran'izany, satria mety misy heviny roa ny lahatsoratra Hebreo dia ny hoe: "mpivarotra" sy "Kananita."