plt_tn/rev/12/10.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# aho
Maneho an'i Jaona.
# nandre feo mafy avy any an-danitra aho
Ny teny hoe: "feo" dia maneho olona iray izay miteny. DH: "Nandre olona iray niteny mafy avy any an-danitra aho"
# Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery
Andriamanitra mamonjy ny olona tamin'ny alalan'ny heriny dia resahina toy ny hoe ny famonjeny ary ny heriny dia zavatra izay ho avy. DH: "Ankehitriny Andriamanitra dia namonjy ny olony tamin'ny alalan'ny heriny"
# tonga
"nanomboka nisy" na "niseho" na "tena nisy." Tsy hoe tsy mbola nisy akory ireo zavatra ireo taloha, fa ankehitriny Andriamanitra dia manambara amin'izy ireo satria "tonga" ny fotoana hisehoan'izy ireo.
# ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny
Ny fanapahan'Andriamanitra sy ny fahefan'i Kristiny dia resahina toy ny hoe ho tonga izy ireo. DH: "Andriamanitra manapaka tahaka ny mpanjaka, ary ny Kristiny dia manana ny fahefana rehetra"
# ny mpiampanga ny rahalahintsika dia natsipy tany ambany
Ilay dragona io natsipy tany ambany io
# ny rahalahintsika
Ireo rahalahy mpino dia resahina toy ny hoe rahalahy. DH: "ireo rahalahintsika mpino"
# andro aman'alina
Ampiasaina miaraka ireo mba hidika hoe: "isan'andro isan'andro" na "tsy misy fitsaharana"