plt_tn/psa/097/001.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.
# aoka ny tany hifaly; aoka ny moron-tsiraka marobe ho ravo
Ny tany sy ireo moron-tsiraka dia lazaina fa manana fihetseham-po. DH: "Mifalia sy miravoa ry olombelona rehetra ambonin'ny tany sy manakaiky ny ranomasina"
# moron-tsiraka
Ireo mety ho heviny dia 1) "tany amoron-dranomasina" na 2) "nosy"
# Rahona sy aizina no manodidina Azy
"Tsy hitantsika Izy; toy ny hoe nipetraka tanaty aizina misy rahona manodidina Izy"
# Fahamarinana sy rariny no fiorenan'ny seza fiandrianany
Ny teny "seza fiandrianana" dia sarinteny ho an'ireo asa sy tenin'Ilay mipetraka eo amin'izany. Ny mpanao salamo miteny toy ny hoe zavatra hita maso ny fahamarinana sy fahitsiana ary miaro ny seza fiandrianana. DH: "Marina sy mahitsy Izy amin'izay rehetra ataony" na "Hainy ny manjaka satria manapaka amim-pahamarinana sy fahitsiana Izy"
# fiorenan'ny seza fiandrianany
Eto "ny fiorenan'ny seza fiandrianany" dia manondro ny fomba hanapahan'i Yaveh ny fanjakany.