plt_tn/psa/089/019.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ny mpanoratra mihevitra fa fantatry ny mpamaky ny tantaran'ny fomba nahatongavan'i Davida ho mpanjaka voafidy.
# Efa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery Aho
Ny mametraka satro-boninahitra eo an-dohan'olona iray dia marika fanaovana azy ho mpanjaka. DH: "Efa nanao lehilahy mahery ho mpanjaka Aho"
# nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery
Misy amin'ireo fandikana Baiboly manao hoe "nanome hery ho an'ilay mahery" na "nanampy ilay mahery."
# efa nanandratra voafidy iray avy amin'ny vahoaka aho
Eto ny "nanandratra" dia midika nanendry. Izay midika fa Andriamanitra nifidy izany olona izany ho mpanjaka. DH: "efa nifidy iray avy amin'ny vahoaka ho mpanjaka Aho"
# tamin'ny diloiloko masina no nanosorako azy
Eto ny mandraraka diloilo amin'ny lohan'olona iray dia mari-pamantarana fa Andriamanitra manendry ilay olona ho mpanjaka.
# Hanohana azy ny tanako; hampatanjaka azy ny sandriko
Eto ny "tanana" sy "sandry" dia samy midika ny hery sy fahefan'i Yaveh. DH: "Hanohana azy Aho ary hampatanjaka azy"
# zanaky ny faharatsiana
Ny mpanoratra manondro an'ireo izay manana toetran'ny faharatsiana ho "zanaky ny faharatsiana." DH: "olona ratsy fanahy"