plt_tn/psa/055/020.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Nanandra-tanana hamely izay
Ny fanandratan-tanana hamely olona dia maneho famelezana azy ireo. Mety ho sarinteny ilazana zavatra izay mampidi-doza olona izany na mahatonga loza ho azay ireo. DH: "namely izay" na "namadika izay"
# ny vavany
Ny vavan'olona iray dia maneho izay lazainy. DH: "izay lazain'ny sakaizako"
# Nalama tahaka ny dibera ny vavany
Ny lahateny izay mahafinaritra na tsara ny mihaino azy dia lazaina toy ny hoe malama sy mora atelina. DH: "Mahafinaritra tahaka ny dibera malama izay lazainy" na "Milaza zavatra tsara izy"
# nankahala
"tezitra"
# ny teniny
Ny tenin'olona iray dia maneho izay lazainy. DH: "izay lazainy"
# nalefaka mihoatra ny diloilo ny teniny
Manosotra diloilo amin'ny hodiny ny olona mba hampalefaka izany, ary manisy amin'ny ratra izy ireo mba hanampy azy ireo ho sitrana. Ny lahateny izay malemy fanahy na manampy dia lazaina toy ny hoe malefaka na mampitony. DH: "nalefaka sy nampitony tahaka ny diloilo izay lazainy" na "milaza zavatra malefaka izy"
# nefa hay sabatra natsatotsatoka ireny
Ny lahateny izay mahatonga fahoriana ny olona dia lazaina toy ny hoe sabatra izay mandratra olona. DH: "mandratra olona tahaka ny ataon'ny sabatra izay lazainy" na "nahatonga fahoriana ho an'ny olona izay lazainy"
# sabatra natsatotsatoka
Ny teny hoe "natsatotsatoka" eto dia midika fa tsoahana amin'ny fitoerany ny sabatra ary vonona hampiasaina.