plt_tn/psa/005/009.md

40 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Davida miresaka momba ireo fahavalony.
# Fa tsy misy fahamarinana eo am-bavan'izy ireo
Ny marina eo am-bava dia maneho fitenenana am-pahamarinana. DH: "Fa izy ireo tsy mba hiteny izay marina izany mihitsy"
# ratsy ny ao anatiny
Ny hoe ao anaty dia maneho ny fisainana sy filàn'ny olona. DH: "ratsy ny fisainana sy filàn'izy ireo"
# ny tendan'izy ireo
Ny tenda dia maneho ny lahatenin'ny olona. DH: "ny lahatenin'izy ireo" na "izay lazain'izy ireo"
# fasana misokatra ny tendan'izy ireo
Ny tendan'izy ireo dia lazaina ho toy ny fasana mivoha, vonona hidiran'ny faty ao anatiny. Ireo mety ho heviny dia 1) "Izy ireo milaza fa hamono olona" na 2)"Izay lazain'izy ireo dia mamono olona"
# malefaka izy ireo amin'ny fiteniny
"Izy ireo miteny zavatra tsara momba ny olona kanefa tsy tena avy amin'ny fony izany"
# lelany
Ny lela dia midika hoe izay lazain'ny olona.
# aoka ho fahalavoany izay teti-dratsy ataon'izy ireo
"Aoka ny teti-dratsin'izy ireo hahatonga azy ireo hiatrika loza maro" na "aoka izy ireo ho tonga tsy dia misy antony nohon'ny teti-dratsiny"
# teti-dratsy
fikasana hamely olona
# fahalavoany
Izany dia zavatra mahatonga ny olona hiatrika loza maro na ho very fahefana. Ny fiatrehana loza na fiovana ho tsy misy dikany dia lazaina ho toy ny fahalavoana.