plt_tn/pro/04/07.md

32 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mamarana ny fampianarany ny zanany izay nampianarin-drainy azy ilay ray.
# lanio izay anananareo rehetra mba hahazoanareo fahazavan-tsaina
"omeo lanja mihoatra izay anananao rehetra ny fahazavan-tsaina"
# Aoka ho lalainao ny fahendrena dia hanandratra anareo izy
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary toy ny hoe nanandratra olona ho amin'ny toerana ambony ny fahendrena izay manome voninahitra lehibe. DH: "Raha lalainao ny fahendrena, dia hanome voninahitra lehibe ho anao izy"
# lalaina
mahatsapa na maneho fitiavana lehibe ho an'olona iray na zavatra iray
# hanaja anareo izy raha mamihina azy ianareo
Resahin'ny mpanoratra toy ny hoe vehivavy ny fahendrena ary ny olona manome lanja azy dia toy ny hoe mametraka ny sandriny manodidina azy. DH: "raha tiana fatratra ny fahendrena, dia hahatonga ny olona hanome voninahitra anao ny fahendrena"
# Hametraka fehiloham-panajana eo ambonin'ny lohanareo izy
Ny voninahitra izay ho azon'ny olona avy amin'ny fahazoana fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nametraka fehiloha eo amin'ny lohan'izany olona izany ny fahendrena. DH: "Ho tahaka ny fehiloha izay mampiseho ny voninahitrao lehibe eo amin'ny lohanao ny fahendrena"
# fehiloha
boribory voatenona vita amin'ny ravin-kazo na voninkazo
# ary hanome anareo satro-boninahitra tsara tarehy
Ny voninahitra izay ho azon'ny olona avy amin'ny fahazoana fahendrena dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nametraka satro-boninahitra eo amin'ny lohan'izany olona izany ny fahendrena. DH: "ho tahaka ny satro-boninahitra tsara tarehy eo an-dohanao ny fahendrena"