plt_tn/pro/01/18.md

12 lines
952 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Mikotrika hamono ny tenany ihany ireny olona ireny— manao vela-pandrika ho an'ny tenany izy ireo
Ity no mamarana ny fampitahana izay niantomboka tao amin'ny 1:15. Ny olona izay manimba tena amin'ny fanaovana zavatra feno fahotana dia resahina toy ny hoe mamelatra fandrika izy ireo ary mamono ny tenany ihany. DH: "Fa ireny olona ireny dia adala mihoatra ny vorona. Mamono ny tenany amin'ny fandriny ihany izy ireo"
# Toy izany koa ny lalan'ny olona rehetra
Ny anjara na lahatry ny olona iray dia resahina toy ny hoe lalana izay alehan'ny olona. DH: "Izao no mahazo ny olona rehetra"
# ny harena azo amin'ny tsy rariny manaisotra ny ain'ireo izay mifikitra amin'izany
Ny olona izay manimba tena aminy fiezahana hahazo harena amin'ny herisetra, halatra, ary fitaka dia resahina toy ny hoe hahafaty ireo izay maka azy ilay harena azo amin'ny tsy rariny. DH: "tahaka izany dia hamotika ireo izay mifikitra aminy ny harena azo amin'ny tsy rariny"