plt_tn/num/30/08.md

16 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# ny voady izay nataony izy, dia ilay teny maimaika nolazain'ny molony
"ny voady izay nataony...izany dia, ny resaka maimaika nataon'ny molony." Ireo andianteny roa ireo dia manondro zavatra iray ihany. Ny andianteny faharoa dia manoritsoritra ny voady izay nataon'ilay vehivavy.
# ilay teny maimaika nolazain'ny molony
Ny andianteny hoe "teny maimaika" dia manondro ilay fampanantenana maimaika izay nataony. Eto ny hoe "molony" dia midika hoe ilay vehivavy mihitsy. Tondroina tamin'ny hoe "molony" izy satria ny molony dia mifandraika amin'izay lazainy. DH: "ireo zavatra maimaika nataony" na "ny fampanantenany maimaika"
# izay namatorany ny tenany
Eto i Mosesy dia miresaka ny fomba hampanantenan'ny vehivavy iray hanatanteraka ny fampanantenany toy ny hoe zavatra izay namatorany ny tenany ny fampanantenany. DH: "izay nanaovany ny tenany mba hanatanteraka"
# Hanafaka azy Yaveh
Eto i Mosesy dia miresaka momba ny famelan'i Yaveh ilay vehivavy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny toy ny hoe namela azy tamin'ny zavatra izay namatotra ny tenany izy. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "hamela azy i Yaveh" na "hamela azy tamin'ny tsy nanatanterahany ny voadiny i Yaveh"