plt_tn/num/27/15.md

16 lines
950 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Andriamanitry ny fanahin'olombelona rehetra
Ireo mety ho heviny dia 1) eto ny hoe "fanahy" dia manondro ny vahoaka rehetra. DH: "Andriamanitry ny olombelona rehetra" na 2) ny fanondroina hoe "fanahy" dia manondro an'Andriamanitra nanome aina sy fofon'aina ny olona rehetra. DH: "Andriamanitra izay manome fofon'aina ny olona rehetra" na "Andriamanitra izay manome aina ny olombelona rehetra"
# olona eo amin'ny fivondronana
Ny hoe "eo amin'ny" vondron'olona dia midika hoe manana fahefana hitarika azy ireo. DH: "lehilahy mba hitarika ny fivondronana"
# olona izay hivoaka sy hiditra eo amin'izy ireo ary hitarika azy ireo sy hitondra azy ireo
Io dia fomba fiteny izay midika fa misy olona iray izay hitarika ny vahoaka rehetra ary hitarika ny tafika amin'ny ady ihany koa.
# mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fivondronanao
Io dia fampitahana izay midika fa raha tsy misy mpitarika dia hirenireny sy tsy hisy mpamonjy ny vahoaka.