plt_tn/num/07/01.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# nahavitan'i Mosesy ny tabernakely
"Namita ny fananganana ny tabernakely i Mosesy"
# ireo mpitarik'Israely...ireo lohan'ny fianakavian'ny razambeny
Ireo andianteny roa ireo dia manoritsoritra vondron'olona iray ihany amin'ny fomba roa samy hafa. DH: "ireo mpitarik'Israely izay lohan'ny fianakavian'ny razamben'izy ireo"
# ireo lohan'ny fianakavian'ny razambeny
Eto ireo mpitarika ny fianakavian'ny razambeny dia tondroina toy ny hoe "loha". DH: "ireo mpitarika ny fianakavian'ny razamben'izy ireo"
# nanara-maso ny fanisana ny olona
Ny anarana hoe "fanisana" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "efa nanampy an'i Arona sy Mosesy mba hanisa ireo lehilahy" (UDB)
# Nentin'izy ireo teo anatrehan'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo...Natolotr'izy ireo teo anatrehan'ny tabernakely ireo zavatra ireo
Midika izany fa nanome ny fanatitr'izy ireo ho an'i Yaveh izy ireo ary nitondra izany teo amin'ny tabernakely. Ireo andianteny ireo dia mety atambatra mba hanampy fanazavana. DH: "Nitondra ny fanatitr'izy ireo tamin'i Yaveh izy ireo ary nanolotra izany taminy teo anoloan'ny tabernakely"
# sarety misarona enina sy omby roa ambin'ny folo
"sarety misarona 6 sy omby 12"