plt_tn/mat/22/45.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ity no fiafaran'ny tantaran'ireo mpitarika fivavahana niezaka ny hamandrika an'i Jesosy tamin'ny alalan'ny fanontaniana saro-baliana.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity no fiafaran'ny fizaran-tanatara izay nanomboka tao amin'n 19:1, izay milaza ny nanaovan'i Jesosy asa fanompoana tany Jodia.
# Raha Davida aza miantso an'i Kristy hoe: 'Tompo,' dia ahoana no maha-zanak'i Davida Azy?
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampisainana tsara ireo mpitarika fivavahana ny amin'izay lazainy. DH: "Miantso Azy hoe 'Tompo' i Davida, koa tsy maintsy hoe mihoatra noho ny taranak'i Davida izany i Jesosy"
# Raha Davida aza miantso an'i Kristy
Niantsoa an'i Jesosy hoe "Tompo" i Davida satria tsy taranak'i Davida fotsiny i Jesosy, fa mbola ambony noho izy ihany koa.
# nahavaly Azy tamin'ny teny
Eto ny "teny" dia ilazana izay lazain'ny olona. DH: "namaly na inona na inona Azy" na "namaly Azy"
# nametra-panontaniana hafa intsony
Ny hevitr'izany dia tsy nisy nanontany karazam-panontaniana izay natao mba hampiteny zavatra tsy mety Azy mba hahafahan'ireo mpitarika fivavahana misambotra Azy.