plt_tn/mat/17/24.md

28 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Eto dia mivadika mankany amin'ny fotoana kely taorian'izany, izay nampianaran'i Jesosy an'i Petera ny amin'ny fandoavana ny hetran'ny tempoly, ny tantara.
# Rehefa ... izy ireo
"Rehefa ... i Jesosy sy ireo mpianany"
# hetra atsasaky ny sekely
Io dia hetra izay naloan'ireo Jiosy mba hanohanana ny tempoly tao Jerosalema. DH: "Hetran'ny tempoly"
# an-trano
"ilay toerana izay nijanonan'i Jesosy"
# Inona no eritreritrao, ry Simona? Ireo mpanjaka eto an-tany, avy amin'iza no andraisan'izy ireo hetra na hetran'olona? Avy amin'ireo vahoakany va sa avy amin'ireo vahiny?
Mametraka fanontaniana i Jesosy mba hampianarana an'i Simona, fa tsy hahazoana fahalalana ho an'ny tenany akory. DH: "Henoy, ry Simona. Fantatsika fa rehefa manangona hetra ireo mpanjaka, dia angonin'izy ireo avy amin'ireo vahiny izany fa tsy amin'ny mponina ao an-tanàna"
# mpanjaka eto an-tany
Manondro ireo mpitarika amin'ny ankapobeny izany.
# vahoakany
Olona ao ambanin'ny fahefan'ny mpanapaka na mpanjaka.