plt_tn/mat/16/17.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Simona Bar-Jona
"Simona, zanak'i Jona"
# tsy ny nofo sy rà no nampiseho
Eto ny "nofo sy rà" dia ilazana ny olombelona. DH: "tsy olombelona no nampiseho"
# izany taminao
Eto ny hoe "izany" dia maneho ny teny nolazain'i Petera hoe i Jesosy no Kristy sy Zanak'Andriamanitra Velona.
# fa ny Raiko izay any an-danitra
Ny hevitra izay efa voaray dia mbola azo atao mazava. DH: "fa ny Raiko any an-danitra no nampiseho izany taminao"
# ny Raiko
Io dia fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra izay mampiseho ny fifandraisany amin'Andriamanitra.
# Lazaiko aminao ihany koa
Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io.
# ianao no Petera
Ny anarana hoe Petera dia midika hoe "vatolampy."
# ambonin'ity vatolampy ity no hanorenako ny fiangonako
Io dia sarin-teny izay midika fa ho mpitarika ny vondron'olona izay mino an'i Jesosy i Petera.
# Ny vavahadin'ny fasana dia tsy haharesy izany
Eto ny "fasana" dia atao toy ny hoe tanàna voadidina rindrina misy vavahady izay manakana ireo maty sy ireo olona hafa tsy hivoaka. Eto ny "fasana" dia maneho ny fahafatesana, ary ny "vavahadiny" dia maneho ny hery. Ireo mety ho dikany dia 1) "ny herin'ny fahafatesana dia tsy handresy ny fiangonako" na 2) "ny fiangonako dia handrava ny herin'ny fahafatesana toy ny fandravan'ny tafika ny tanàna iray."