plt_tn/mat/11/25.md

64 lines
2.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ao amin'ny andininy 25 sy 26, mivavaka amin'ny Rainy any an-danitra i Jesosy raha mbola teo amin'ny fantrehan'ireo vahoaka. Ao amin'ny andininy 27, manomboka miresaka amin'ny olona indray Izy.
# Ray
Fiantsoana manan-danja ilazana an'Andriamanitra io.
# Tompon'ny lanitra sy ny tany
"Tompo manjaka eo amin'ny lanitra sy tany." Ny teny hoe "lanitra sy tany" dia ilazana ny olona sy zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao. DH: "Tompo izay manjaka eo amin'izao tontolo izao"
# Ianao no nanafina ireo zavatra ireo ... ary nanambara ireo
Tsy dia mazava ny tiana ho lazaina amin'ny hoe "ireo zavatra ireo." Raha mila manazava an'io ny fiteninao, dia ity misy fandikana azo atolotra. DH: "Ianao no fahamarinana ireo ... ary nanambara ireo"
# ny hendry sy ny mahalala
Mampiasa eso-teny i Jesosy. Tsy mihevitra Izy fa tena hendry tokoa ireo olona ireo. DH: ''olona izay mihevitra fa hendry sy mahalala izy ireo"
# nanambara ireo
"nampahafantatra ireny." Ny hoe "ireny" dia milaza "ireo zavatra'' tao amin'ny andininy teo aloha teo.
# toy ireo ankizy kely
Mampitaha olona tsy mahalala amin'ny ankizy kely i Jesosy. Tsindrian'i Jesosy fa maro amin'ieo mino Azy no tsy tena nianatra na mihevi-tena ho hendry.
# satria izany dia nahafinaritra teo imasonao
nahafinaritra teo imasonao- Ny teny hoe "teo imasonao" dia sarin-teny ilazana ny fandraisan'ny olona iray ny zavatra iray. DH: "fa noraisinao ho tsara ny manao izany"
# Ny zavatra rehetra nankinina tamiko dia avy amin'ny Raiko
Azo atao hoe DH: "Nankinin'ny Raiko tamiko ny zavatra rehetra" na "Natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra"
# Ny zavatra rehetra
Iroe mety ho dikany dia 1) Nampisehon'Andriamanitra tamin'i Jesosy ny zavatra rehetra momba Azy sy ny fanjakany na 2) Nomen'Andriamanitra an'i Jesosy n y fahefana rehetra.
# ny Raiko
Fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra io mba hampisehoana ny fifandraisana misy eo amin'Andriamanitra sy Jesosy.
# tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray
"ny Ray irery no mahalala ny Zanaka"
# tsy misy mahalala
Isaky ny mampiasa ity teny ity i Jesosy, ny teny hoe "mahalala" dia mihoatra noho ny fahafantarana ilay olona fotsiny. Ny hevitr'izany dia hoe mahalala ilay olona akaiky satria manana fifandraisana hafa mihitsy izy ireo.
# ny Zanaka
Milaza ny amin'ny tenany fanintelony i Jesosy.
# Zanaka
Fiantsoana mana-danja ilazana an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra io.
# tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
"ny Zanaka irery no mahalala ny Ray"