plt_tn/mat/08/21.md

8 lines
771 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# avelao aho aloha andeha ary andevina ny raiko
Tsy fantatra mazava raha efa maty ny rain'io lehilahy io ary andeha handevina azy avy hatrany izy, na te hijanona elaela kokoa ilay lehilahy mandra-pahafatin'ny rainy mba hahafahany mandevina azy avy eo. Fa ny hevi-dehibe dia hoe te hanao zavatra hafa aloha ilay lehilahy alohan'ny hanarahany an'i Jesosy.
# avelao ny maty andevina ny maty ao aminy manokana
Tsy miteny ara-bakiteny i Jesosy hoe handevina ireo maty hafa ny maty. Ireo mety ho dikan'ny hoe "maty" dia: 1) sarin-teny ilazana ireo izay efa ho faty, na 2) sarin-teny ilazana ireo izay tsy manaraka an'i Jesosy ka maty ara-panahy. Ny tena hevi-dehibe dia hoe tsy mahazo mamela na inona na inona hampitaredretra azy tsy hanaraka an'i Jesosy ny mpianatra iray.