plt_tn/luk/21/01.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity no hetsika manaraka ao amin'ny tantara. Fotoana mety nisehoany: 1) Mety niseho tamin'ny andro nametrahan'ireo Sadoseo fanontaniana an'i Jesosy ity (20:27) na 2) mety andro hafa ity. Jesosy manomboka mampianatra ireo mpianany.
# fanatitra
''fanatitra vola''
# fandatsahan-drakitra
''fanangonam-bola.'' Ity dia iray amin'ireo vata ao amin'ny kianjan'ny tempoly izay handrotsahan'ny olona vola toy ny fanatitra ho an'Andriamanitra.
# mpitondra-tena mahantra iray
Ity dia fomba iray hampidirana mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.
# Lazaiko marina aminareo
Ity dia midika fa izay ho lazain'i Jesosy dia tena zava-dehibe.
# Lazaiko aminareo
Jesosy niresaka tamin'ireo mpianany.
# Ity mpitondratena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra
Ity akory tsy midika hoe nandrotsaka vola be noho ireo lehilahy mpanan-karena izy. Fa kosa, midika izany fa Andriamanitra nandray ny fanatitrany ho manan-danja kokoa noho ny vola be nomen'ireo lehilahy. DH: ''ny fanatitra kelin'ilay mpitondra-tena dia sarobidy kokoa noho ny fanatitra ben'ireo lehilahy mpanan-karena''
# nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny
''manam-bola be fa nanome anjara kely tamin'izany fotsiny''
# tamin'ny fahantrany
''izay nanana vola tena kely''