plt_tn/luk/19/43.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Jesosy manohy miresaka.
# Fa
Izay manaraka eo no anton'ny alahelon'i Jesosy.
# ho avy aminao ireo andro
Ity dia manondro fa hiaina fotoan-tsarotra izy ireo. DH: ''amin'ny ho avy dia hitranga aminao ireo zavatra ireo'' na ''tsy ho ela dia hiaritra fotoana manahirana ianao''
# aminao
Ny teny hoe ''aminao'' dia maneho ilay tanàna. Fa raha hafahafa amin'ny fiteninao dia afaka ataonao hoe ''aminareo'' mba hanehoana ireo olona ao amin'ilay tanàna.
# manda
Ity dia maneho ny rindrina mba hitazomana ny olona tsy hivoaka ny tanàna.
# Izy ireo dia hampianjera anao amin'ny tany
Satria Jesosy niresaka an'ilay tanàna, dia maneho ireo rindrina sy trano ben'ny tanàna ity. DH: ''Hamotika ny rindrintsika izy ireo'' na '''hamotika ny tanànantsika izy ireo''
# miaraka amin'ny zanakao
Ity dia maneho ny olona izay niaina tao amin'ilay tanàna. DH: ''hamono anareo olona ao amin'ny tanàna izy''
# Tsy hamela na dia vato iray mifanaingina aza izy ireo
''Ity dia fanoharana mba hilazana ny hamotehan'ireo fahavalo tanteraka ny tanàna izay voaorina tamin'ny vato.