plt_tn/luk/04/14.md

24 lines
1019 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Niverina tany Galilia Jesosy, nampianatra tao amin'ny synagoga, ary niteny ireo olona tany fa hanatanteraka ny Soratra Masin'Isaia mpaminany Izy.
# Avy eo Jesosy
Ity dia manomboka tranga vaovao ao amin'ny tantara.
# tamin'ny herin'ny Fanahy
"ary ny Fanahy nanome hery Azy." Andriamanitra dia niaraka tamin'ny Tompo tamin'ny fomba miavaka, nanome fahafahana Azy hanao ireo zavatra izay tsy afaka ataon'ny olombelona foana.
# niely ny vaovao momba Azy
Ireo izay nandre an'i Jesosy nilaza ny momba Azy tamin'ny olona hafa, ary avy eo ireo olona hafa ireo nilaza ny momba Azy tamin'ny olona maro hafa kokoa aza. DH: "ny olona nanaparitaka ny vaovao momban'i Jesosy" na "ny olona nilaza tamin'ny olona hafa ny momban'i Jesosy"
# nanerana ny faritra manodidina rehetra
Ity dia maneho ireo faritra na toerana manodidina an'i Galilia.
# noderain'ny rehetra
"ny rehetra dia nilaza zavatra tsara momba Azy avokoa" na "ny olona rehetra dia niresaka ny momba Azy tamin'ny fomba tsara"